<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>H.J. Gauntlett</author>
<hymn_number>74</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Tany Betlehema fahiny,
 Tao an-tranon'omby re;
 Nisy Zazakely soa,
 Tampofoan-dreniny,
 Jeso Kristy Zaza io,
 Zanak'i Maria madio.

[V2]
 Nahafoy ny Rainy Izy
 Sy nandao ny lanitra,
 Tsy nandà ny trano ratsy,
 Nefa Andriamanitra:
 Toe-pahantrana re
 An'ny Tompo lehibe.

[V3]
 Fony Izy mbola Zaza
 Dia nanaiky sy nanoa,
 Ary tia reny Izy,
 Sy nanetry tena koa,
 Zaza Kristiana e!
 Manaraha Azy re!

[V4]
 Ka ho hitantsika Izy
 Noho ny fitiavany:
 Fa 'Lay Zazakely tsara
 No mba Tompon-danitra,
 Ka isika zanany
 Dia hankany aminy.

[V5]
 Nefa tsy mba tranon'omby.
 Itoerany izao,
 Fa nankao an-danitra Izy.
 Sy mitafy laza ao;
 Ka ho sambatra any koa
 Tahaka Azy ny zaza soa.</lyrics>
<title>Tany Betlehema fahiny FFPM74</title>
</song>